4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Aza omena tsy aho... - MAMI Bastà

             AZA OMENA TSINY...A



Aza omena tsiny aho re                                                    

Raha  tsy hanambady an’ise,                                                    

F’efa leon’ny voafitapitaka aho ka tsy sahy

Fomba fiarahantsika sy ianao,

Ataontsika amin’ny fomba vaovao,

Tsy asiana soratra ara-panjakana,

Fa ny fitiavana no hanafana.



Ny fitiavana lzay niombonanatsika roa,                          

Atao fitiavana tena matotra    

Hifamofo lalan-dava ny am-po,

Fa isika dia mifamatotra

Ny saina mitovy, mahay miara-dia

Dia ataontsika mahavita azy

Ny fontsika samy tia ,

Dia efa solon’ny mariazy



Mety gaga sy zendana angamba ianao

Fa ahoana no toy izao.

Fa leon’ny misara-bady aho

Fa izaho no lazaiko anao

Alohan’ny fiarantsika roa aho

In-telo nisara-bady,

Ka manjary tsy tiako intsony,

Ny misoratra rehefa hanambady.



Refrain

Ilay vadiko voalohany dia vehivavy tena mpisotro toaka,

Izay nohatonga ny fisarahana, ka aleoko dia nitsoaka.

Rehefa mamo izy manao ny tsy fanao, ka lalaovin-dry zalahy

Ka teraka zazakely hafa-loko, fa fantatro fa tsy anahy

Izany no zava-misy taminay fa tsy izaho no manendrikendrika

Fa ilay zanany farany ao aloha dia hitako tena hafa endrika.

Izaho dia fantatra avy hatrany fa lehilahy malagasy

Ilay zaza naterany farany ao anie vazaha fa tsy gasy.



REFRAIN....

Ilay vadiko faharoa dia  vehivavy tena mpangala tety

Izay vola tahiry kely mba voahangona dia lany vetivety

Ny zanaka ao an-trano indray mihafy tsy misy mpiraharaha.

Fa ny harena tsy misy miangana fa tapitra lasan’ Ingahy ZAODAHY.



Ilay vadiko fahatelo indray ’ry olona dia vehivavy manjabe

Matim-bola sy tia miliba aok’izany ka aleony mandehandeha

Tapa-bolana izy tsy nody tao an-trano no sady tsy hita notsy mba re

’Hay nirifatra lasa nanaran-kolon-kafa lasa sipana DEPIOTE



REFRAIN...



Aza omena tsiny ry malala o

Raha toa ka miteny tsy misalasala

Ny fitiavantsika no zava-dehibe ka atao tsy misara-mandeha

Tsy ambinin-tsoratra ny havanao

Ny fitiavantsika haharitra ivavaho

Angamba aoriana maharitra ela be mety hisoratra isika ise.

Partager aza omena tsy aho...

Commenter aza omena tsy aho...

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe MAMI Bastà